<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ry Sakaizan'ny mpanota !
 Fantatrao ny zanakao,
 Fa malemy, mora lavo,
 Ka mangataka aminao ;
 // Mba todiho, mba todiho,
 Ka henoy ny vavakay //

[V2]
 Raha mitombo ny harena,
 Noho ny fanambinanao,
 Na matanjaka ny tena
 Noho ny fitahianao ;
 // Mba tantano, mba tantano,
 Sao tsy mahalala Anao //

[V3]
 Raha mamely ny devoly,
 Fahavalon-janakao,
 Ka mandroso manangoly
 Hampisaraka aminao ;
 // Mba tazòny, mba tazòny,
 Fa tsy mahatana Anao //

[V4]
 Raha mangirifiry mafy,
 Noho ny tsorakazonao,
 Ka ny havana rehetra
 Tsy mahita izay hatao :
 // Mba tsidiho, mba tsidiho,
 Fa maniry indrindra Anao //

[V5]
 Raha tonga ilay fotoana
 Hiverenana aminao,
 Ka manahinahy foana
 Noho ny ratsy izay natao :
 // Mba tohano, mba tohano,
 Hahatsiaro tsara Anao //</lyrics>
<title>Ry Sakaizan' ny mpanota FFPM576</title>
<hymn_number>576</hymn_number>
</song>